Tsy miraharaha Songtext
von Mahaleo
Tsy miraharaha Songtext
Tanety dorana,
Tsy miraharaha
Arehitra ny ala,
Tsy miraharaha
May ny tanindrazana,
Tsy miraharaha
Ny hoavin′ny taranaka,
Tsy miraharaha
Ô Iaba, ô Iendry
Ny hamono antsika anie
Tsy mba basy velively
Ô Iaba, ô Iendry
Tsy mahatsiaro tena isika,
Mihamaty tsikelikely
Risoriso manjaka,
Tsy miraharaha
Izay osa, voadaka,
Tsy miraharaha
Ny efa matanjaka,
Tsy miraharaha
Sondriana mitrandraka,
Tsy miraharaha
Ô Iaba, ô Iendry,
Tena loza ity
Izany safiran'Ilakaka tsy hita velively
Ô Iaba, ô Iendry
Saingy afa-drakotra izao ny tantely
Ô Iaba, ô Iendry
Ny harena an-kibon′ny tany
Tsisy mitsitsy velively
Ô Iaba, ô Iendry
Ny taranatsika re mba hamelao kely
Ny fiaraha-monina,
Tsy miraharaha
Aleony mionona,
Tsy miraharaha
Lasa fomba mahazatra e
Ny tsy miraharaha
Isika Malagasy lasa
Tsy miraharaha
Ô ry Iaba, ô ry Iendry
Tena loza ity
Ny Malagasy anie ho very
Ô ry Iaba, ô ry Iendry
Vola indray izao
No solon'ny fanjakana manan-kery
Ô ry Iaba, ô ry Iendry
Tena loza ity
Ny Malagasy anie ho very
Ô ry Iaba, ô ry Iendry
Vola indray izao
No solon'ny raiamandreny tò teny
Ô ry Iaba, ô ry Iendry
Soa ihany fa mbola misy anareo
Miraharaha
Ô ry Iaba, ô ry Iendry
Soa ihany fa mbola misy zanakareo
Miraharaha
Tsy miraharaha
Arehitra ny ala,
Tsy miraharaha
May ny tanindrazana,
Tsy miraharaha
Ny hoavin′ny taranaka,
Tsy miraharaha
Ô Iaba, ô Iendry
Ny hamono antsika anie
Tsy mba basy velively
Ô Iaba, ô Iendry
Tsy mahatsiaro tena isika,
Mihamaty tsikelikely
Risoriso manjaka,
Tsy miraharaha
Izay osa, voadaka,
Tsy miraharaha
Ny efa matanjaka,
Tsy miraharaha
Sondriana mitrandraka,
Tsy miraharaha
Ô Iaba, ô Iendry,
Tena loza ity
Izany safiran'Ilakaka tsy hita velively
Ô Iaba, ô Iendry
Saingy afa-drakotra izao ny tantely
Ô Iaba, ô Iendry
Ny harena an-kibon′ny tany
Tsisy mitsitsy velively
Ô Iaba, ô Iendry
Ny taranatsika re mba hamelao kely
Ny fiaraha-monina,
Tsy miraharaha
Aleony mionona,
Tsy miraharaha
Lasa fomba mahazatra e
Ny tsy miraharaha
Isika Malagasy lasa
Tsy miraharaha
Ô ry Iaba, ô ry Iendry
Tena loza ity
Ny Malagasy anie ho very
Ô ry Iaba, ô ry Iendry
Vola indray izao
No solon'ny fanjakana manan-kery
Ô ry Iaba, ô ry Iendry
Tena loza ity
Ny Malagasy anie ho very
Ô ry Iaba, ô ry Iendry
Vola indray izao
No solon'ny raiamandreny tò teny
Ô ry Iaba, ô ry Iendry
Soa ihany fa mbola misy anareo
Miraharaha
Ô ry Iaba, ô ry Iendry
Soa ihany fa mbola misy zanakareo
Miraharaha
Writer(s): Zafimahaleo Rasolofondraosolo Lyrics powered by www.musixmatch.com